4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maria katisoa - Lolo sy ny Tariny

MARIA KATISOA



Miala any ary i Maria Katisoa

Monina ao Andohatampenaka

Zaza bodo, tsy ary nono

Nefa efa matotra firesaka



Niova ny ankizy ankehitriny

Fohazina alohan’ny amin’ny dimy

Mianatra kilalao vao

Mandahatra haron-kely

Eny ambaravaran’ny birao

Fonkotany ireny



Kala Maria,

Maria Katisoa,

Ankizy ankehitriny ihany koa



Kala Maria,

Maria Katisoa,

Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?



Miala any ary i Maria Katisoa

Kamokamo hamonjy lakilasy

Fa misafoto ao an-doha

Ny TAJEFY sy ny KAJY



Niova ny ankizy ankehitriny

An’iza moa ny tsiny

Raha tohizany hatrany ampianarana

Ny torimaso tapaka

Aza lakoana izy madama

Ny fiainany no sarotra



Maty anie aho

Kala Maria,

Maria Katisoa,

Ankizy ankehitriny ihany koa



Kala Maria,

Maria Katisoa,

Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?



Iny izy mitazana an’i Ikopa

Mandeha mankany Betsiboka

Toa mandeha ra..



Miala any ary i Maria Katisoa

Roa ampiana iray mira telo

Fa ny mamaky ny loha

Vary iray kilao zaraina folo



Niova ny ankizy ankehitriny

Vesarin’ny fianankaviany

Ny Ray andevozin’ny dirômelina

Matory anaty tatatra

Ny Reny mivaro-tena izay vao velona

Ny fiainany no sarotra



Maty anie aho

Kala Maria,

Maria Katisoa,

Ankizy ankehitriny ihany koa



Kala Maria,

Maria Katisoa,

Hanangana ny hoaviny (amin’inona moa)x2?



Iny izy mitazana an’i Ikopa

Mandeha mankany Betsiboka

Toa mandeha ra...

Partager maria katisoa

Commenter maria katisoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite